< Salamo 20 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Hihaino anao anie Jehovah amin’ ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin’ ny avo anie ny anaran’ Andriamanitr’ i Jakoba.
IEOWA en kotin mangi om kapakap ni ran apwal o; mar en Kot en Iakop en pera uk!
2 Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ ny fitoerana masìna anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
A en kotin porone dong uk sauas pam sang nan tanpas saraui o kamana uk ada sang nan Sion.
3 Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. (Sela)
A en kotin kupura om mairong karos, o om mairong isis en konkon re a. (Sela)
4 Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.
A en kotiki ong uk, me mongiong om anane, o kotin kapaiada om inong karos.
5 Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin’ ny anaran’ Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin’ i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.
Se pan ngisingiski omui sauasa kit, o ni mar en atail Kot kit pan kida at plak. Ieowa en kotin kapwaiada om poekipoek karos!
6 Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin’ ny lanitry ny fahamasinany Izy amin’ ny herin’ ny famonjen’ ny tànany ankavanana.
I ap asaer, me Ieowa kin kotin dorela sapwilim a me keiedier, o a pan mangi i sang nan sapwilim a lang saraui, lim a pali maun kin sauasa kaualap.
7 Ny sasany mitoky amin’ ny kalesy, ary ny sasany amin’ ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’ i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.
Mo kan kin kaporoporeki war o os akan; a kit kin keleki mar en Ieowa atail Kot.
8 Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,
Irail lodier o pupedier, a kit uda o kasinenda.
9 Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin’ izay andro iantsoanay Azy.
Maing kom kotin sauasa nanmarki o, o kotin mangi at likwir ong komui!

< Salamo 20 >