< Salamo 2 >

1 Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena? 2 Ireo mpanjakan’ ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe: 3 “Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.” 4 Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo. 5 Dia hiteny azy amin’ ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ ny fahatezerany hoe: 6 “Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin’ i Ziona, tendrombohitro masìna.” 7 “Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany. 8 Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ ny tany ho fanananao. 9 Hotorotoroinao amin’ ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.” 10 Ary amin’ izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran’ ny tany. 11 Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fahatahorana, ary mifalia amin’ ny fangovitana. 12 Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

< Salamo 2 >