< Salamo 19 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr’ Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ ny tànany.
大衛的詩,交與伶長。 諸天述說上帝的榮耀; 穹蒼傳揚他的手段。
2 Ny andro samy miteny amin’ ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ ny alina mandimby azy.
這日到那日發出言語; 這夜到那夜傳出知識。
3 Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony.
無言無語, 也無聲音可聽。
4 Efa nivoaka ho any amin’ ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin’ ny faran’ izao rehetra izao. Trano-lay ho an’ ny masoandro no nataony teo aminy;
它的量帶通遍天下, 它的言語傳到地極。 上帝在其間為太陽安設帳幕;
5 Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ ny alehany izy.
太陽如同新郎出洞房, 又如勇士歡然奔路。
6 Any amin’ ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin’ ny farany koa, ka tsy misy takona amin’ ny hafanany.
它從天這邊出來,繞到天那邊, 沒有一物被隱藏不得它的熱氣。
7 Tsy misy tsiny ny lalàn’ i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’ i Jehovah, mahahendry ny kely saina.
耶和華的律法全備,能甦醒人心; 耶和華的法度確定,能使愚人有智慧。
8 Mahitsy ny fandidian’ i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’ i Jehovah, mampahazava ny maso.
耶和華的訓詞正直,能快活人的心; 耶和華的命令清潔,能明亮人的眼目。
9 Madio ny fahatahorana an’ i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’ i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.
耶和華的道理潔淨,存到永遠; 耶和華的典章真實,全然公義-
10 Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ ny tohotra.
都比金子可羨慕,且比極多的精金可羨慕; 比蜜甘甜,且比蜂房下滴的蜜甘甜。
11 Ary ny mpanomponao dia hazavain’ ireny; amin’ ny fitandremana azy misy valiny lehibe.
況且你的僕人因此受警戒, 守着這些便有大賞。
12 Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’ izay ota tsy fantatra.
誰能知道自己的錯失呢? 願你赦免我隱而未現的過錯。
13 Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’ izay fahadisoana lehibe.
求你攔阻僕人不犯任意妄為的罪, 不容這罪轄制我, 我便完全,免犯大罪。
14 Aoka ny tenin’ ny vavako sy ny fisainan’ ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
耶和華-我的磐石,我的救贖主啊, 願我口中的言語、心裏的意念在你面前蒙悅納。

< Salamo 19 >