< Salamo 150 >

1 Haleloia. Miderà an’ Andriamanitra eo amin’ ny fitoerany masìna. Miderà Azy eo amin’ ny habakabaky ny heriny. 2 Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben’ ny voninahiny. 3 Miderà Azy amin’ ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ ny valiha sy ny lokanga. 4 Miderà Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin’ ny zava-maneno tendrena sy ny sodina. 5 Miderà Azy amin’ ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin’ ny kipantsona tsara feo. 6 Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’ i Jehovah. Haleloia.

< Salamo 150 >