< Salamo 15 >

1 Salamo nataon’ i Davida. 2 Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony; 3 Tsy manendrikendrika amin’ ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany, 4 Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; tsy mivadika amin’ ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, 5 Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, ― izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.

< Salamo 15 >