< Salamo 149 >

1 Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona masìna. 2 Aoka ny Isiraely hifaly amin’ ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin’ ny Mpanjakany ny zanak’ i Ziona. 3 Aoka hidera ny anarany amin’ ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga. 4 Fa sitrak’ i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra. 5 Aoka ny olona masìna hifaly amin’ ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy. 6 Aoka hisy fanandratana an’ Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany, 7 Hamaliany ny Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro, 8 Hamatorany ireo mpanjakany amin’ ny gadra, Sy ny olo-malazany amin’ ny gadra vy. 9 Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masìna rehetra Izany. Haleloia.

< Salamo 149 >