< Salamo 145 >

1 Fideran’ i Davida.
I will extol you, my God, O king; and I will bless your name for ever and ever.
2 Hankalaza Anao isan’ andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.
Every day will I bless you; and I will praise your name for ever and ever.
3 Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.
Great is the LORD, and greatly to be praised; and his greatness is unsearchable.
4 Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’ izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe.
One generation shall praise your works to another, and shall declare your mighty acts.
5 Ny lazan’ ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.
I will speak of the glorious honor of your majesty, and of your wondrous works.
6 Ny herin’ ny asanao mahatahotra no hotenenin’ ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.
And men shall speak of the might of your terrible acts: and I will declare your greatness.
7 Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.
They shall abundantly utter the memory of your great goodness, and shall sing of your righteousness.
8 Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.
The LORD is gracious, and full of compassion; slow to anger, and of great mercy.
9 Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin’ ny asany rehetra.
The LORD is good to all: and his tender mercies are over all his works.
10 Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masìna misaotra Anao.
All your works shall praise you, O LORD; and your saints shall bless you.
11 Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao,
They shall speak of the glory of your kingdom, and talk of your power;
12 Mba hampahafantarina ny zanak’ olombelona ny herinao Sy ny haben’ ny voninahitry ny fanjakanao.
To make known to the sons of men his mighty acts, and the glorious majesty of his kingdom.
13 Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.
Your kingdom is an everlasting kingdom, and your dominion endures throughout all generations.
14 Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.
The LORD upholds all that fall, and raises up all those that be bowed down.
15 Ny mason’ izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin’ ny fotoany.
The eyes of all wait on you; and you give them their meat in due season.
16 Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.
You open your hand, and satisfy the desire of every living thing.
17 Marina Jehovah amin’ ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin’ ny asany rehetra.
The LORD is righteous in all his ways, and holy in all his works.
18 Jehovah dia eo akaikin’ izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
The LORD is near to all them that call on him, to all that call on him in truth.
19 Hanefa ny irin’ izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
He will fulfill the desire of them that fear him: he also will hear their cry, and will save them.
20 Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.
The LORD preserves all them that love him: but all the wicked will he destroy.
21 Ny fiderana an’ i Jehovah no hotenenin’ ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masìna mandrakizay doria.
My mouth shall speak the praise of the LORD: and let all flesh bless his holy name for ever and ever.

< Salamo 145 >