< Salamo 144 >

1 Nataon’ i Davida. 2 Izay Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy 3 Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no iheveranao azy? 4 Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina. 5 Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midìna; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny. 6 Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo; 7 Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin’ ny rano be, Dia amin’ ny tanan’ ny hafa firenena, 8 Izay miteny zava-poana amin’ ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka. 9 Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin’ ny valiha tory folo no hankalazako Anao, 10 Izay manome famonjena ho an’ ireo mpanjaka, Sady mamonjy an’ i Davida mpanompony tsy ho voan’ ny sabatra mandratra. 11 Afaho aho, ka vonjeo amin’ ny tanan’ ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin’ ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka; 12 Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban’ ny lapan’ andriana ny zanakai-vavy. 13 Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay; 14 Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay. 15 Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an’ i Jehovah ho Andriamaniny.

< Salamo 144 >