< Salamo 140 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, vonjeo amin’ ny olon-dratsy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe, 2 Izay mihevitra ratsy ao am-pony Ka manangana ady isan’ andro 3 Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony. (Sela) 4 Jehovah ô, vonjeo amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka. 5 Ny mpiavonavona efa nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy. 6 Hoy izaho tamin’ i Jehovah Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon’ ny fifonako, Jehovah ô! 7 Jehovah, Tompo ô, ry Herin’ ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin’ ny andro fiadiana Hianao. 8 Jehovah ô, aza manome ny irin’ ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy. (Sela) 9 Ny lohan’ izay manemitra ahy Dia aoka hosaronan’ ny ratsy tononin’ ny molony. 10 Aoka hisy vain’ afo halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin’ ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony. 11 Tsy hampitoerina amin’ ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo. 12 Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin’ ny mahantra Sady hanome rariny ho an’ ny malahelo. 13 Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.

< Salamo 140 >