< Salamo 14 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida. 2 Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra. 3 Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza. 4 Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny? 5 Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin’ ny taranaka marina. 6 Na dia foananareo aza ny fisainan’ ny ory, Jehovah kosa no arony. 7 Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin’ i Jehovah avy amin’ ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.

< Salamo 14 >