< Salamo 137 >

1 Teo amoron’ ny onin’ i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an’ i Ziona. 2 Teo amin’ ny hazomalahelo teo afovoan’ i Babylona No nanantonanay ny lokanganay. 3 Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran’ i Ziona eto anatrehanay. 4 Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran’ i Jehovah Tany an-tany nivahiniana? 5 Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino. 6 Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin’ ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin’ ny fifaliako rehetra. 7 Jehovah ô, tsarovy amin’ ny taranak’ i Edoma Ny andron’ i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin’ ny fanorenany. 8 Ry Babylona zanakavavy izay efa resy, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay. 9 Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin’ ny harambato.

< Salamo 137 >