< Salamo 137 >

1 Teo amoron’ ny onin’ i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an’ i Ziona.
我們曾在巴比倫的河邊坐下, 一追想錫安就哭了。
2 Teo amin’ ny hazomalahelo teo afovoan’ i Babylona No nanantonanay ny lokanganay.
我們把琴掛在那裏的柳樹上;
3 Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran’ i Ziona eto anatrehanay.
因為在那裏,擄掠我們的要我們唱歌, 搶奪我們的要我們作樂,說: 給我們唱一首錫安歌吧!
4 Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran’ i Jehovah Tany an-tany nivahiniana?
我們怎能在外邦唱耶和華的歌呢?
5 Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino.
耶路撒冷啊,我若忘記你, 情願我的右手忘記技巧!
6 Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin’ ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin’ ny fifaliako rehetra.
我若不記念你, 若不看耶路撒冷過於我所最喜樂的, 情願我的舌頭貼於上膛!
7 Jehovah ô, tsarovy amin’ ny taranak’ i Edoma Ny andron’ i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin’ ny fanorenany.
耶路撒冷遭難的日子, 以東人說:拆毀!拆毀! 直拆到根基! 耶和華啊,求你記念這仇!
8 Ry Babylona zanakavavy izay efa resy, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.
將要被滅的巴比倫城啊, 報復你像你待我們的,那人便為有福!
9 Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin’ ny harambato.
拿你的嬰孩摔在磐石上的, 那人便為有福!

< Salamo 137 >