< Salamo 136 >

1 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony. 2 Midera an’ Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony. 3 Miderà ny Tompon’ ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony; 4 Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 5 Izay nanao ny lanitra tamin’ ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 6 Izay namelatra ny tany ho ambonin’ ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 7 Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 8 Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 9 Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 10 Izay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony) 11 Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 12 Tamin’ ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 13 Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 14 Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 15 Fa nanary an’ i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 16 Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 17 Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 18 Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 19 Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 20 Sy Oga, mpanjakan’ i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 21 Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 22 Dia ho lovan’ ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 23 Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 24 Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 25 Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony); 26 Miderà an’ Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.

< Salamo 136 >