< Salamo 130 >

1 Fihirana fiakarana. 2 Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ ny fifonako. 3 Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô? 4 Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao. 5 Niandry an’ i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako. 6 Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina. 7 Manantenà an’ i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’ i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be; 8 Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin’ ny helony rehetra.

< Salamo 130 >