< Salamo 129 >

1 Fihirana fiakarana.
Canticum graduum. Sæpe expugnaverunt me a juventute mea, dicat nunc Israël;
2 Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy.
sæpe expugnaverunt me a juventute mea: etenim non potuerunt mihi.
3 Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy.
Supra dorsum meum fabricaverunt peccatores; prolongaverunt iniquitatem suam.
4 Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon’ ny ratsy fanahy Izy.
Dominus justus concidit cervices peccatorum.
5 Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an’ i Ziona
Confundantur, et convertantur retrorsum omnes qui oderunt Sion.
6 Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza;
Fiant sicut fœnum tectorum, quod priusquam evellatur exaruit:
7 Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin’ izany;
de quo non implevit manum suam qui metit, et sinum suum qui manipulos colligit.
8 Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.
Et non dixerunt qui præteribant: Benedictio Domini super vos. Benediximus vobis in nomine Domini.

< Salamo 129 >