< Salamo 128 >

1 Fihirana fiakarana.
A SONG OF THE ASCENTS. O the blessedness of everyone fearing YHWH, Who is walking in His ways.
2 Fa hohaninao tokoa ny asan’ ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.
You surely eat the labor of your hands, You [are] blessed, and good [is] to you.
3 Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin’ ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak’ oliva Manodidina ny latabatrao.
Your wife [is] as a fruitful vine in the sides of your house, Your sons as olive plants around your table.
4 Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an’ i Jehovah.
Behold, surely thus is the man blessed who is fearing YHWH.
5 Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan’ i Jerosalema anie ianao Amin’ ny andro rehetra hiainanao.
YHWH blesses you out of Zion, Look, then, on the good of Jerusalem, All the days of your life,
6 Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.
And see the sons of your sons! Peace on Israel!

< Salamo 128 >