< Salamo 127 >

1 Fihirana fiakarana. Nataon’ i Solomona. 2 Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin’ ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an’ ny malalany, na dia matory aza izy. 3 Indro, lova avy amin’ i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo. 4 Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana. 5 Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin’ ny fahavalo eo am-bavahady.

< Salamo 127 >