< Salamo 126 >

1 Fihirana fiakarana. 2 Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin’ ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho an’ ireny. 3 Eny, zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika. 4 Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin’ ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan’ ny riaka any amin’ ny tany atsimo. 5 Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana. 6 Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ ny fihobiana kosa.

< Salamo 126 >