< Salamo 125 >

1 Fihirana fiakarana. 2 Tahaka ny tendrombohitra manodidina an’ i Jerosalema No anodidinan’ i Jehovah ny olony Hatramin’ izao ka ho mandrakizay 3 Fa tsy hitoetra eo amin’ ny anjaran’ ny marina ny tehim-panjakan’ ny ratsy fanahy, Fandrao ny marina haninjitra ny tànany hanendry zava-dratsy. 4 Jehovah ô, manaova soa amin’ ny tsara Sy ny mahitsy fo. 5 Fa izay mivily ho amin’ ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin’ i Jehovah miaraka amin’ ny mpanao ratsy anie. Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.

< Salamo 125 >