< Salamo 124 >

1 Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. 2 Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona. 3 Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany; 4 Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka; 5 Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka. 6 Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin’ ny nifiny. 7 Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin’ ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika. 8 Ny famonjena antsika dia amin’ ny anaran’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

< Salamo 124 >