< Salamo 123 >

1 Fihirana fiakarana. 2 Indro, toy ny fijerin’ ny ankizilahy Ny tanan’ ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin’ ny ankizivavy Ny tanan’ ny tompovaviny, No fijerintsika an’ i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika. 3 Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay; 4 Eny, tototry ny famingavingan’ ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan’ ny mpiavonavona.

< Salamo 123 >