< Salamo 122 >

1 Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. 2 Ny tongotray efa mijoro Eo anatin’ ny vavahadinao, ry Jerosalema ô, 3 Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara; 4 Any no iakaran’ ny firenena, Dia ireo firenen’ i Jehovah (Lalàna amin’ ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran’ i Jehovah. 5 Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan’ ny mpianakavin’ i Davida. 6 Mangataha fiadanana ho an’ i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao; 7 Fiadanana anie ho ao anatin’ ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao 8 Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao. 9 Noho ny tranon’ i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.

< Salamo 122 >