< Salamo 120 >

1 Fihirana fiakarana. 2 Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin’ ny molotra mandainga, Eny, amin’ ny lela mamitaka 3 Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka? 4 Zana-tsipìkan’ ny mahery sady voaranitra, Mbamin’ ny vain’ afon’ anjavidy. 5 Lozako, fa mivahiny eto amin’ ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain’ ny Kedarita! 6 Ela loatra izay no nitoeran’ ny fanahiko teo amin’ Izay tsy tia fihavanana. 7 Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.

< Salamo 120 >