< Salamo 120 >

1 Fihirana fiakarana.
Cantique de Maaloth. J'ai crié à l'Éternel dans ma détresse, et il m'a exaucé.
2 Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin’ ny molotra mandainga, Eny, amin’ ny lela mamitaka
Éternel, délivre mon âme des lèvres menteuses, de la langue qui trompe!
3 Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka?
Que te donnera, que te rapportera la langue trompeuse?
4 Zana-tsipìkan’ ny mahery sady voaranitra, Mbamin’ ny vain’ afon’ anjavidy.
Des flèches aiguës comme celles du guerrier, avec les charbons ardents du genêt.
5 Lozako, fa mivahiny eto amin’ ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain’ ny Kedarita!
Malheureux que je suis de séjourner en Méshec, de demeurer parmi les tentes de Kédar!
6 Ela loatra izay no nitoeran’ ny fanahiko teo amin’ Izay tsy tia fihavanana.
Trop longtemps mon âme a demeuré avec celui qui hait la paix.
7 Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.
Je veux la paix; mais dès que je parle, ils sont pour la guerre.

< Salamo 120 >