< Salamo 12 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon’ i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ ny zanak’ olombelona. 2 Samy milaza lainga amin’ ny namany amin’ ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany. 3 Holevonin’ i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona, 4 Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay? 5 Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan’ ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain’ ny sasany. 6 Ny tenin’ i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin’ ny memy ka mitsoriaka amin’ ny tany eny, voadio impito. 7 Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon’ ity taranaka ity. 8 Raha avy izay isandratan’ ny tsinontsinona eo amin’ ny zanak’ olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon’ izay azom-pahoriana mafy loatra.

< Salamo 12 >