< Salamo 118 >

1 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
Give thanks to YHWH, for he is good, for his loving kindness endures forever.
2 Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
Let Israel now say that his loving kindness endures forever.
3 Aoka ny taranak’ i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
Let the house of Aaron now say that his loving kindness endures forever.
4 Aoka izay matahotra an’ i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
Now let those who fear YHWH say that his loving kindness endures forever.
5 Tao an-katerena no niantsoako an’ i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
Out of my distress, I called on JAH. JAH answered me with freedom.
6 Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ ny olona atao amiko?
YHWH is my helper; I will not fear. What can humans do to me?
7 Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin’ izay mankahala ahy.
YHWH is my helper; and I will look in triumph on those who hate me.
8 Tsara ny mialoka amin’ i Jehovah Noho ny mialoka amin’ ny olona.
It is better to take refuge in YHWH, than to put confidence in man.
9 Tsara ny matoky an’ i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
It is better to take refuge in YHWH, than to put confidence in princes.
10 Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa;
All the nations surrounded me, but in the name of YHWH, I cut them off.
11 Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.
They surrounded me, yes, they surrounded me. In the name of YHWH I indeed cut them off.
12 Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.
They surrounded me like bees. They blazed like a fire among thorns. In the name of YHWH I cut them off.
13 Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
I was pushed hard, to make me fall, but YHWH helped me.
14 Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
JAH is my strength and my song, and he has become my salvation.
15 Ao an-dain’ ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery;
The voice of rejoicing and salvation is in the tents of the righteous. "The right hand of YHWH does valiantly.
16 Ny tanana ankavanan’ i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery.
The right hand of YHWH is exalted. The right hand of YHWH does valiantly."
17 Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan’ i Jehovah.
I will not die, but live, and declare the works of JAH.
18 Nofaizan’ i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin’ ny fahafatesana.
JAH has punished me severely, but he has not given me over to death.
19 Vohay ny vavahadin’ ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an’ i Jehovah.
Open to me the gates of righteousness. I will enter into them and praise JAH.
20 Ity no vavahadin’ i Jehovah; Ny marina no hiditra eo.
This is the gate of YHWH; the righteous will enter into it.
21 Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.
I will give thanks to you, for you have answered me, and have become my salvation.
22 Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.
The stone which the builders rejected has become the cornerstone.
23 Avy tamin’ i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.
This is YHWH's doing. It is marvelous in our eyes.
24 Ity no andro nataon’ i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’ izao isika.
This is the day that YHWH has made. We will rejoice and be glad in it.
25 Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
Save us now, we beg you, YHWH. YHWH, we beg you, send prosperity now.
26 Hotahina anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah; Avy ao an-tranon’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.
Blessed is he who comes in the name of YHWH. We have blessed you out of the house of YHWH.
27 Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ ny tandroky ny alitara aza.
YHWH is God, and he has given us light. Bind the sacrifice with cords, even to the horns of the altar.
28 Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.
You are my God, and I will give thanks to you. You are my God, I will exalt you.
29 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
Oh give thanks to YHWH, for he is good, for his loving kindness endures forever.

< Salamo 118 >