< Salamo 116 >

1 Izaho tia an’ i Jehovah, satria efa nandre Ny feon’ ny fifonako Izy. 2 Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa. 3 Nihodidina tamiko ny famatoran’ ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian’ ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho. (Sheol h7585) 4 Dia niantso ny anaran’ i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko. 5 Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika. 6 Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy. 7 Miverena ho amin’ ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao, 8 Dia namonjy ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin’ ny ranomaso Ary ny tongotro tamin’ ny fahatafintohinana. 9 Handeha eo anatrehan’ i Jehovah Eo amin’ ny tanin’ ny velona aho. 10 Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho. 11 Hoy izaho tamin’ ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra. 12 Inona no havaliko an’ i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko? 13 Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran’ i Jehovah. 14 Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra. 15 Zava-dehibe eo imason’ i Jehovah Ny fahafatesan’ ny olony masìna. 16 Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao. 17 Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran’ i Jehovah no hantsoiko. 18 Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra, 19 Dia eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.

< Salamo 116 >