< Salamo 115 >

1 Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao. 2 Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny? 3 Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy. 4 Volafotsy sy volamena ny sampin’ ireny, Asan’ ny tanan’ olona: 5 Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita; 6 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo: 7 Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany. 8 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy. 9 Ry Isiraely ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy. 10 Ry taranak’ i Arona ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy. 11 Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy. 12 Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak’ i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak’ i Arona Izy; 13 Hotahiny izay matahotra an’ i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe. 14 Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin’ ny zanakareo. 15 Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. 16 Ny lanitra dia an’ i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an’ ny zanak’ olombelona. 17 Ny maty tsy mba hidera an’ i Jehovah. Na izay midìna any amin’ ny mangingina; 18 Fa izahay hisaotra an’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay. Haleloia.

< Salamo 115 >