< Salamo 114 >

1 Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak’ i Jakoba avy tany amin’ ny firenena hafa fiteny, 2 Joda no fitoerany masìna, Isiraely no fanjakany. 3 Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana. 4 Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak’ ondry. 5 Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao? 6 Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak’ ondry? 7 Mihorohoroa eo anatrehan’ ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Jakoba. 8 Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.

< Salamo 114 >