< Salamo 114 >

1 Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak’ i Jakoba avy tany amin’ ny firenena hafa fiteny,
When Israel went out of Egypt, Jacob’s house from a barbarous people,
2 Joda no fitoerany masìna, Isiraely no fanjakany.
God chose Judah for himself, Israel became his kingdom.
3 Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana.
The sea saw it, and fled, Jordan river ran backwards.
4 Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak’ ondry.
Mountains skipped like rams, hills like the young of the flock.
5 Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao?
Why, sea, do you flee? Jordan, why run backwards?
6 Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak’ ondry?
Mountains, why skip ram-like? Why, hills, like the young of the flock?
7 Mihorohoroa eo anatrehan’ ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Jakoba.
Earth, tremble before the Lord, at the presence of Jacob’s God,
8 Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.
who turns rocks into pools of water, and flint into fountains of water.

< Salamo 114 >