< Salamo 113 >

1 Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah, Miderà ny anaran’ i Jehovah. 2 Isaorana anie ny anaran’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay. 3 Hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany No hoderaina anie ny anaran’ i Jehovah. 4 Avo ambonin’ ny jentilisa Jehovah; Ambonin’ ny lanitra ny voninahiny. 5 Iza no tahaka an’ i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ ny avo, 6 Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany? 7 Manangana ny malahelo hiala amin’ ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ ny zezika, 8 Mba hametraka azy ho naman’ ny mpanapaka ny olony. 9 Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.

< Salamo 113 >