< Salamo 111 >

1 Haleloia. Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho, Eo amin’ ny fivorian’ ny marina sy ny fiangonan-dehibe.
Louez l'Éternel! Je célébrerai l'Éternel de tout mon cœur, dans le conseil des justes, et dans l'assemblée.
2 Lehibe ny asan’ i Jehovah, Ka dinihin’ izay rehetra mankasitraka azy.
Les œuvres de l'Éternel sont grandes, recherchées de tous ceux qui y prennent plaisir.
3 Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Son œuvre n'est que splendeur et magnificence, et sa justice demeure à perpétuité.
4 Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.
Il a laissé la mémoire de ses prodiges. L'Éternel est miséricordieux et compatissant.
5 Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.
Il donne à vivre à ceux qui le craignent; il se souvient toujours de son alliance.
6 Ny herin’ ny asany nasehony tamin’ ny olony. Tamin’ ny nanomezany azy ny lovan’ ny jentilisa.
Il a fait connaître à son peuple la force de ses œuvres, en lui donnant l'héritage des nations.
7 Ny asan’ ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;
Les œuvres de ses mains ne sont que justice et vérité, et tous ses commandements sont véritables.
8 Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
Ils sont stables à jamais, à perpétuité, étant faits avec vérité et droiture.
9 Manatitra fanavotana ho an’ ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masìna sy mahatahotra ny anarany.
Il a envoyé la rédemption à son peuple. Il a établi son alliance pour toujours. Son nom est saint et redoutable.
10 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’ izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Le commencement de la sagesse, c'est la crainte de l'Éternel. Tous ceux qui pratiquent ses commandements sont vraiment sages. Sa louange demeure à toujours.

< Salamo 111 >