< Salamo 108 >

1 Tonon-kira. Salamo nataon’ i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko no hihira sy hankalaza.
A SONG. A PSALM OF DAVID. My heart is prepared, O God, I sing, indeed, I sing praise, also my glory.
2 Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.
Awake, stringed instrument and harp, I awake the dawn.
3 Hidera Anao eny amin’ ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin’ ny jentilisa.
I thank You among peoples, O YHWH, And I praise You among the nations.
4 Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
For Your kindness [is] great above the heavens, And Your truth to the clouds.
5 Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.
Be exalted above the heavens, O God, And Your glory above all the earth.
6 Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin’ ny tananao ankavanana aho, ka valio.
That Your beloved ones may be delivered, Save [with] Your right hand, and answer us.
7 Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema, Ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko;
God has spoken in His holiness: I exult, I apportion Shechem, And I measure the Valley of Succoth,
8 Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron’ ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;
Gilead [is] Mine, Manasseh [is] Mine, And Ephraim [is] the strength of My head, Judah [is] My lawgiver,
9 Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin’ i Filistia ho hihobiako.
Moab [is] a pot for My washing, On Edom I cast My shoe, Over Philistia I habitually shout.
10 Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
Who brings me [into] the fortified city? Who has led me to Edom?
11 Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
Have You not, O God, cast us off? And You do not go out, O God, with our hosts!
12 Vonjeo amin’ ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon’ ny olona.
Give to us help from adversity, And the salvation of man is vain.
13 Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
We do mightily in God, And He treads down our adversaries!

< Salamo 108 >