< Salamo 106 >

1 Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Praise the LORD. Give thanks to the LORD, for he is good, for his loving kindness endures forever.
2 Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon’ i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?
Who can utter the mighty acts of the LORD, or fully declare all his praise?
3 Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.
Blessed are those who uphold justice, who practice righteousness at all times.
4 Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin’ ny famonjenao aho,
Remember me, LORD, with the favor that you show to your people. Visit me with your salvation,
5 Hahitako ny soa azon’ ny voafidinao, Hifaliako amin’ ny fifalian’ ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin’ ny lovanao.
that I may see the prosperity of your chosen, that I may rejoice in the gladness of your nation, that I may glory with your inheritance.
6 Efa nanota izahay mbamin’ ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
We have sinned with our fathers. We have committed iniquity. We have done wickedly.
7 Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan’ ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron’ ny Ranomasina Mena
Our fathers did not understand your wonders in Egypt. They did not remember the multitude of your loving kindnesses, but were rebellious at the sea, even at the Red Sea.
8 Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.
Nevertheless he saved them for his name's sake, that he might make his mighty power known.
9 Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,
He rebuked the Red Sea also, and it was dried up; so he led them through the depths, as through a desert.
10 Namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalo.
He saved them from the hand of him who hated them, and redeemed them from the hand of the enemy.
11 Dia nosaronan’ ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
The waters covered their adversaries. There was not one of them left.
12 Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.
Then they believed his words. They sang his praise.
13 Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,
They soon forgot his works. They did not wait for his counsel,
14 Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an’ Andriamanitra tany an-tany foana.
but gave in to craving in the desert, and tested God in the wasteland.
15 Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy.
He gave them their request, but sent leanness into their soul.
16 Dia nialona an’ i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an’ i Arona, olo-masin’ i Jehovah.
They envied Moses also in the camp, and Aaron, the LORD's holy one.
17 Nisokatra ny tany, dia nitelina an’ i Datana Ka nanarona ny antokon’ i Abìrama.
The earth opened and swallowed up Dathan, and covered the company of Abiram.
18 Dia nisy afo nirehitra tamin’ ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.
A fire was kindled in their company. The flame burned up the wicked.
19 Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan’ ny sarin-javatra an-idina.
They made a calf in Horeb, and worshiped a molten image.
20 Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin’ ny omby homana ahitra.
Thus they exchanged their glory for an image of a bull that eats grass.
21 Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
They forgot God, their Savior, who had done great things in Egypt,
22 Dia fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama sy zava-mahatahotra teo amin’ ny Ranomasina Mena.
Wondrous works in the land of Ham, and awesome things by the Red Sea.
23 Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin’ ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.
Therefore he said that he would destroy them, had Moses, his chosen, not stood before him in the breach, to turn away his wrath, so that he wouldn't destroy them.
24 Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,
Yes, they despised the pleasant land. They did not believe his word,
25 Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon’ i Jehovah.
but murmured in their tents, and did not listen to the LORD's voice.
26 Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra
Therefore he swore to them that he would overthrow them in the wilderness,
27 Ary ny taranany kosa any amin’ ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin’ ny tany maro Izy.
and that he would make their offspring fall among the nations, and scatter them in the lands.
28 Nikambana tamin’ i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an’ ny maty,
They joined themselves also to Baal Peor, and ate the sacrifices of the dead.
29 Dia nampahatezitra an’ i Jehovah tamin’ ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.
Thus they provoked him to anger with their deeds. The plague broke in on them.
30 Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
Then Phinehas stood up, and executed judgment, so the plague was stopped.
31 Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin’ ny taranaka fara mandimby mandrakizay.
That was credited to him for righteousness, for all generations to come.
32 Nampahatezitra an’ i Jehovah teo anilan’ ny ranon’ i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an’ i Mosesy noho ny nataon’ ireo;
They angered him also at the waters of Meribah, so that Moses was troubled for their sakes;
33 Fa niodina tamin’ ny Fanahin’ i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.
because they were rebellious against his spirit, he spoke rashly with his lips.
34 Tsy naringany ny firenena Izay nasain’ i Jehovah naringany;
They did not destroy the peoples, as the LORD commanded them,
35 Fa nifangaro tamin’ ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,
but mixed themselves with the nations, and learned their works.
36 Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.
They served their idols, which became a snare to them.
37 Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an’ ny demonia ireo;
Yes, they sacrificed their sons and their daughters to demons.
38 Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran’ ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an’ ny sampin’ i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin’ ny rà izy.
They shed innocent blood, even the blood of their sons and of their daughters, whom they sacrificed to the idols of Canaan. The land was polluted with blood.
39 Ary naloto tamin’ ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.
Thus were they defiled with their works, and prostituted themselves in their deeds.
40 Dia nirehitra tamin’ ny olony ny fahatezeran’ i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.
Therefore the LORD burned with anger against his people. He abhorred his inheritance.
41 Dia nanolotra azy teo an-tànan’ ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.
He gave them into the hand of the nations. Those who hated them ruled over them.
42 Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin’ ny tànany izy.
Their enemies also oppressed them. They were brought into subjection under their hand.
43 Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony.
Many times he delivered them, but they were rebellious in their counsel, and were brought low in their iniquity.
44 Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;
Nevertheless he regarded their distress, when he heard their cry.
45 Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben’ ny famindram-pony.
He remembered for them his covenant, and repented according to the multitude of his loving kindnesses.
46 Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin’ izay rehetra namabo azy.
He made them also to be pitied by all those who carried them captive.
47 Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna Sy hifalianay amin’ ny fiderana Anao.
Save us, LORD, our God, gather us from among the nations, to give thanks to your holy name, to triumph in your praise.
48 Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.
Blessed be the LORD, the God of Israel, from everlasting to everlasting. And let all the people say, "Amen." Praise the LORD.

< Salamo 106 >