< Salamo 105 >

1 Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin’ ny firenena ny asany.
Give thanks to YHWH. Call on his name. Make his deeds known among the peoples.
2 Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
Sing to him, sing praises to him. Tell of all his marvelous works.
3 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah.
Glory in his holy name. Let the heart of those who seek YHWH rejoice.
4 Mitadiava an’ i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.
Seek YHWH and his strength. Seek his face forever more.
5 Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ ny vavany,
Remember his marvelous works that he has done; his wonders, and the judgments of his mouth,
6 Ry taranak’ i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak’ i Jakoba.
you offspring of Abraham, his servant, you descendants of Jacob, his chosen ones.
7 Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
He is YHWH, our God. His judgments are in all the earth.
8 Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby,
He has remembered his covenant forever, the word which he commanded to a thousand generations,
9 Eny, ilay nataony tamin’ i Abrahama, Sy ny fianianany tamin’ Isaka;
the covenant which he made with Abraham, his oath to Isaac,
10 Izay naoriny ho lalana ho an’ i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an’ Isiraely,
and confirmed the same to Jacob for a statute; to Israel for an everlasting covenant,
11 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin’ ny famolaina,
saying, "To you I will give the land of Canaan, the lot of your inheritance;"
12 Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
when they were but a few men in number, yes, very few, and foreigners in it.
13 Ary nifindrafindra tany amin’ ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ ny firenen-kafa,
They went about from nation to nation, from one kingdom to another people.
14 Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe:
He allowed no one to do them wrong. Yes, he reproved kings for their sakes,
15 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
"Do not touch my anointed ones. Do my prophets no harm."
16 Dia niantso ny mosary ho amin’ ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan’ aina;
He called for a famine on the land. He destroyed the food supplies.
17 Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;
He sent a man ahead of them, Joseph, sold as a slave.
18 Nampijaliny tamin’ ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.
They bruised his feet with shackles. His neck was locked in irons,
19 Mandra-pahatongan’ ny fotoana hahatanterahan’ ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin’ i Jehovah.
until the time that his word happened, and YHWH's word proved him true.
20 Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.
The king sent and freed him; even the ruler of peoples, and let him go free.
21 Nanao azy ho tompon’ ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,
He made him lord of his house, and ruler of all of his possessions;
22 Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
to discipline his princes at his pleasure, and to teach his elders wisdom.
23 Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin’ ny tanin’ i Hama.
Israel also came into Egypt. Jacob sojourned in the land of Ham.
24 Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
He increased his people greatly, and made them stronger than their adversaries.
25 Nampiova ny fon’ ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.
He turned their heart to hate his people, to conspire against his servants.
26 Naniraka an’ i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.
He sent Moses, his servant, and Aaron, whom he had chosen.
27 Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama.
They performed miracles among them, and wonders in the land of Ham.
28 Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.
He sent darkness, and made it dark, but they rebelled against his words.
29 Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.
He turned their waters into blood, and killed their fish.
30 Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian’ ny mpanjakany aza.
Their land swarmed with frogs, even in the chambers of their kings.
31 Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin’ ny faritaniny rehetra.
He spoke, and swarms of flies came, and gnats in all their territory.
32 Nahatonga havandra ho solon’ ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin’ ny taniny.
He gave them hail for rain, flaming fire in their land.
33 Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin’ ny taniny.
He struck their vines and also their fig trees, and shattered the trees of their country.
34 Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
He spoke, and the locusts came, and the grasshoppers, without number,
35 Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin’ ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.
ate up every plant in their land; and ate up the fruit of their ground.
36 Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny taniny Izy, Dia ny voalohan’ ainy rehetra.
He struck also all the firstborn in their land, the first fruits of all their manhood.
37 Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin’ ny fireneny.
And he brought them out with silver and gold, and there was no one among their tribes who stumbled.
38 Faly Egypta tamin’ ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.
Egypt was glad when they departed, for the fear of them had fallen on them.
39 Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
He spread a cloud for a covering, fire to give light in the night.
40 Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.
They asked, and he brought quails, and satisfied them with the bread of the sky.
41 Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin’ ny tany maina ho renirano.
He opened the rock, and waters gushed out. They ran as a river in the dry places.
42 Fa nahatsiaro ny teniny masìna Sy Abrahama mpanompony Izy,
For he remembered his holy word, and Abraham, his servant.
43 Dia nitondra ny olony nivoaka tamin’ ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin’ ny fihobiana;
He brought forth his people with joy, his chosen with singing.
44 Ka dia nanome azy ny tanin’ ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan’ ny firenena maro ireny,
He gave them the lands of the nations. They took the labor of the peoples in possession,
45 Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.
that they might keep his statutes, and observe his laws. Praise JAH.

< Salamo 105 >