< Salamo 102 >

1 Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan’ i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako. 2 Aza manafina ny tavanao amiko amin’ ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin’ ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy. 3 Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana. 4 Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza. 5 Noho ny fisentoan’ ny foko Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro. 6 Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo. 7 Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano. 8 Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana. 9 Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko, 10 Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray. 11 Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho. 12 Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby. 13 Hianao hitsangana ka hamindra fo amin’ i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana. 14 Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy. 15 Hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany hatahotra ny voninahitrao; 16 Fa Jehovah nanangana an’ i Ziona; Niseho tamin’ ny voninahiny Izy; 17 Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany. 18 Hosoratana ho an’ ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an’ i Jehovah; 19 Fa Izy nitazana tany amin’ ny fitoerany masìna any amin’ ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan’ i Jehovah ny tany, 20 Mba hihaino ny fisentoan’ ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty, 21 Mba hotorina any Ziona ny anaran’ i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema, 22 Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an’ i Jehovah. 23 Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy; 24 Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby. 25 Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan’ ny tananao ny lanitra. 26 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy; 27 Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra. 28 Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.

< Salamo 102 >