< Salamo 100 >

1 Salamo ho fiderana. 2 Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin’ ny fihobiana. 3 Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, Dia olony sy ondry fiandriny. 4 Midìra eo amin’ ny vavahadiny amin’ ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin’ ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany, 5 Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.

< Salamo 100 >