< Ohabolana 9 >

1 Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy; 2 Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa; 3 Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon’ ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe: 4 Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin’ izany tsy ampy saina dia hoy izy: 5 Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko. 6 Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin’ ny lalan’ ny fahalalana. 7 Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny. 8 Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao. 9 Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy. 10 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masìna no fahazavan-tsaina. 11 Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao. 12 Raha hendry ianao, dia hendry ho an’ ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan’ izany. 13 Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona. 14 Fa mipetraka eo am-baravaran’ ny tranony izy, Ary amin’ ny seza eny amin’ ny fitoerana avo eo an-tanàna, 15 Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin’ ny alehany, ka manao hoe: 16 Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin’ izay tsy ampy saina dia hoy izy: 17 Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin’ ny fiafenana, 18 Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin’ ny halalin’ ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy. (Sheol h7585)

< Ohabolana 9 >