< Ohabolana 9 >

1 Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;
La sagesse a bâti sa maison; elle a taillé ses sept colonnes.
2 Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;
Elle a apprêté sa viande, elle a préparé son vin; elle a déjà dressé sa table.
3 Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon’ ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:
Elle a envoyé ses servantes; du haut des lieux les plus élevés de la ville, elle crie:
4 Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin’ izany tsy ampy saina dia hoy izy:
Que celui qui est ignorant entre ici! Et elle dit à ceux qui manquent d'intelligence:
5 Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.
Venez, mangez de mon pain, et buvez du vin que j'ai préparé.
6 Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin’ ny lalan’ ny fahalalana.
Laissez là l'ignorance, et vous vivrez; et marchez dans le chemin de la prudence.
7 Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
Celui qui reprend un moqueur, n'en reçoit que de la honte; et celui qui corrige un méchant, s'attire un affront.
8 Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
Ne reprends point un moqueur, de peur qu'il ne te haïsse; reprends un homme sage, et il t'aimera.
9 Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
Instruis un sage, et il deviendra encore plus sage; enseigne un homme de bien, et il croîtra en science.
10 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masìna no fahazavan-tsaina.
Le commencement de la sagesse est la crainte de l'Éternel; et la science des saints c'est la prudence.
11 Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.
Car par moi tes jours seront multipliés, et des années seront ajoutées à ta vie.
12 Raha hendry ianao, dia hendry ho an’ ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan’ izany.
Si tu es sage, tu es sage pour toi-même; si tu es moqueur, tu en porteras seul la peine.
13 Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
La folie est une femme turbulente, stupide, et qui ne sait rien.
14 Fa mipetraka eo am-baravaran’ ny tranony izy, Ary amin’ ny seza eny amin’ ny fitoerana avo eo an-tanàna,
Elle s'assied à la porte de la maison, sur un siège, dans les lieux élevés de la ville,
15 Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin’ ny alehany, ka manao hoe:
Pour crier aux passants qui vont droit leur chemin:
16 Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin’ izay tsy ampy saina dia hoy izy:
Que celui qui est ignorant entre ici! Et elle dit à celui qui manque d'intelligence:
17 Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin’ ny fiafenana,
Les eaux dérobées sont douces, et le pain pris en cachette est agréable.
18 Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin’ ny halalin’ ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy. (Sheol h7585)
Et il ne sait pas que là sont les morts, et que ses invités sont au fond du Sépulcre. (Sheol h7585)

< Ohabolana 9 >