< Ohabolana 7 >

1 Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.
내 아들아 내 말을 지키며 내 명령을 네게 간직하라
2 Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
내 명령을 지켜서 살며 내 법을 네 눈동자처럼 지키라!
3 Afehezo eo amin’ ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka izy.
이것을 네 손가락에 매며 이것을 네 마음판에 새기라
4 Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;
지혜에게 너는 내 누이라 하며 명철에게 너는 내 친족이라 하라
5 Mba hiarovana anao amin’ ny vehivavy jejo, Dia amin’ ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.
그리하면 이것이 너를 지켜서 음녀에게, 말로 호리는 이방 계집에게 빠지지 않게 하리라
6 Fa teo amin’ ny varavarankelin’ ny tranoko, Dia teo amin’ ny makarakara, no nitsirihako,
내가 내 집 들창으로, 살창으로 내어다 보다가
7 Ka nahita anankiray tamin’ ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,
어리석은자 중에, 소년 중에 한 지혜 없는 자를 보았노라
8 Izay nandeha tamin’ ny lalana akaikin’ ny zoron-tranon’ ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,
그가 거리를 지나 음녀의 골목 모퉁이로 가까이 하여 그 집으로 들어가는데
9 Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin’ ny alina efa maizina dia maizina.
저물 때, 황혼 때, 깊은밤 흑암 중에라
10 Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin’ ny janga no mifetsy am-po,
그 때에 기생의 옷을 입은 간교한 계집이 그를 맞으니
11 Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
이 계집은 떠들며 완패하며 그 발이 집에 머물지 아니하여
12 Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.
어떤 때에는 거리, 어떤 때에는 광장 모퉁이, 모퉁이에 서서 사람을 기다리는 자라
13 Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:
그 계집이 그를 붙잡고 입을 맞추며 부끄러움을 모르는 얼굴로 말하되
14 Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.
내가 화목제를 드려서 서원한 것을 오늘날 갚았노라
15 Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.
이러므로 내가 너를 맞으려고 나와서 네 얼굴을 찾다가 너를 만났도다
16 Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.
내 침상에는 화문 요와 애굽의 문채 있는 이불을 폈고
17 Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.
몰약과 침향과 계피를 뿌렸노라
18 Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin’ ny fitiavana isika.
오라, 우리가 아침까지 흡족하게 서로 사랑하며 사랑함으로 희락하자
19 Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;
남편은 집을 떠나 먼 길을 갔는데
20 Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon’ ny volana.
은 주머니를 가졌은즉 보름에나 집에 돌아오리라 하여
21 Tamin’ ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin’ ny fandroboan’ ny molony no nitaomany azy,
여러가지 고운 말로 혹하게 하며 입술의 호리는 말로 꾀므로
22 Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’ izay ilay zatovo, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana,
소년이 곧 그를 따랐으니 소가 푸주로 가는 것 같고 미련한 자가 벌을 받으려고 쇠사슬에 매이러 가는 것과 일반이라
23 Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin’ ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
필경은 살이 그 간을 뚫기까지에 이를 것이라 새가 빨리 그물로 들어가되 그 생명을 잃어버릴 줄을 알지 못함과 일반이니라
24 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.
아들들아 나를 듣고 내 입의 말에 주의하라
25 Aoka tsy hivily ho any amin’ ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin’ ny alehany.
네 마음이 음녀의 길로 치우치지 말며 그 길에 미혹지 말지어다
26 Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.
대저 그가 많은 사람을 상하여 엎드러지게 하였나니 그에게 죽은자가 허다하니라
27 Ny tranony dia lalana mankany amin’ ny fiainan-tsi-hita, Eny, midìna ho any amin’ ny efi-tranon’ ny fahafatesana. (Sheol h7585)
그 집은 음부의 길이라 사망의 방으로 내려가느니라 (Sheol h7585)

< Ohabolana 7 >