< Ohabolana 29 >

1 Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
Umuntu oqinisa intamo phezu kokukhuzwa kanengi uzabhujiswa ngesikhatshana kungabi lokuphepha.
2 Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.
Lapho kuphumelela abalungileyo abantu bayajabula; nxa kubusa izixhwali abantu bayabubula.
3 Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin’ ny vehivavy janga dia mandany harena.
Umuntu othanda ukuhlakanipha uletha intokozo kuyise, kodwa ohamba lezifebe utshaphaza inotho yakhe.
4 Ny rariny no ampandrian’ ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.
Ngokubusa kuhle inkosi iyaliqinisa ilizwe layo, kodwa leyo elihaga lezivalamlomo iyalibhidliza.
5 Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.
Loba ngubani okhohlisa umakhelwane wakhe uzendlalela umambule wokuzithiya.
6 Misy fandrika amin’ ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.
Umuntu omubi uthiywa yisono sakhe, kodwa umuntu olungileyo angahlabela athokoze.
7 Ny marina mihevitra ny adin’ ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.
Olungileyo uyawananza amalungelo abayanga, kodwa ababi kabazidubi ngalokho.
8 Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.
Izideleli zingalidunga idolobho, kodwa abantu abahlakaniphileyo bayaludedisa ulaka.
9 Raha iadian’ ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.
Nxa umuntu ohlakaniphileyo esiya emthethwandaba lesiwula, isiwula siyatshinga sibhede kube lomsindo.
10 Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.
Abadinga ukuchitha igazi bayamzonda umuntu oqotho njalo badinga ukubulala abalungileyo.
11 Ny fahatezeran’ ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.
Isiwula siyalukhihliza lonke ulaka lwaso, kodwa umuntu ohlakaniphileyo uyazithiba.
12 Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
Nxa umbusi elalela amanga, zonke izikhulu zakhe ziba zimbi.
13 Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason’ izy roa tonta.
Umyanga lomncindezeli bakanye kulokhu: UThixo uvula amehlo abo bobabili.
14 Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.
Nxa inkosi isahlulela abayanga kungelabandlululo, isihlalo sayo sobukhosi sizaqina.
15 Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
Uswazi lokuqondisa lunika ukuhlakanipha, kodwa umntwana oyekelwayo uhlazisa unina.
16 Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
Nxa ababi bephumelela, lesono laso siyaphumelela, kodwa abalungileyo bazabawisa.
17 Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian’ ny fanahinao.
Qondisa indodana yakho, izakupha ukuthula; izaletha injabulo emphefumulweni wakho.
18 Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’ izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.
Lapho okungekho khona isambulelo, abantu badela ukuzithiba; kodwa ubusisiwe lowo ogcina umlayo.
19 Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.
Inceku kayiqondiswa ngamazwi nje wodwa, loba izwisisa kayiyikukwenza ekutshelwayo.
20 Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.
Uyambona umuntu owalazela ukukhuluma? Kulethemba elingcono esiwuleni kulaye.
21 Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.
Umuntu ototoza inceku yakhe isakhula, leyonceku izamthwalisa nzima ekucineni.
22 Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
Umuntu othukuthelayo udala ingxabano, kodwa lowo olicaphucaphu wenza izono ezinengi.
23 Ny fiavonavonan’ ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
Ukuzigqaja komuntu kuyamehlisa, kodwa umuntu ozehlisayo uzuza udumo.
24 Izay miray tetika amin’ ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
Osizana lesela uyazizonda yena; usezifungise kulo ngakho ngeke afakaze iqiniso.
25 Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an’ i Jehovah no hovonjena.
Ukwesaba abantu kuba yizithiyo, kodwa lowo othemba uThixo uzaphepha.
26 Maro no mila sitraka amin’ ny mpanapaka; Fa avy amin’ i Jehovah ny fitsarana ny olona.
Abanengi bazama ukuzisondeza kumbusi, kodwa ukwahlulela okuhle kuvela kuThixo.
27 Ny meloka dia fahavetavetana eo imason’ ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason’ ny ratsy fanahy kosa.
Abalungileyo bayabenyanya abangathembekanga; abaxhwalileyo bayabenyanya abalungileyo.

< Ohabolana 29 >