< Ohabolana 21 >

1 Rano velona eo an-tànan’ i Jehovah ny fon’ ny mpanjaka, Ka tarihiny amin’ izay tiany.
The king’s heart is in Yahweh’s hand like the watercourses. He turns it wherever he desires.
2 Ataon’ ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
Every way of a man is right in his own eyes, but Yahweh weighs the hearts.
3 Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak’ i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
To do righteousness and justice is more acceptable to Yahweh than sacrifice.
4 Ny fiandranandran’ ny maso sy ny fiavonavon’ ny fo Izay jiron’ ny ratsy fanahy dia ota.
A high look and a proud heart, the lamp of the wicked, is sin.
5 Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.
The plans of the diligent surely lead to profit; and everyone who is hasty surely rushes to poverty.
6 Ny fahazoan-karena amin’ ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an’ izay mitady fahafatesana.
Getting treasures by a lying tongue is a fleeting vapor for those who seek death.
7 Ny fitohatohan’ ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.
The violence of the wicked will drive them away, because they refuse to do what is right.
8 Miolikolika ny lalan’ ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon’ ny madio.
The way of the guilty is devious, but the conduct of the innocent is upright.
9 Aleo mitoetra eo an-joron’ ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin’ ny vehivavy tia ady.
It is better to dwell in the corner of the housetop than to share a house with a contentious woman.
10 Ny fanahin’ ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.
The soul of the wicked desires evil; his neighbor finds no mercy in his eyes.
11 Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.
When the mocker is punished, the simple gains wisdom. When the wise is instructed, he receives knowledge.
12 Ny Iray Marina no mandinika ny tranon’ ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin’ ny loza.
The Righteous One considers the house of the wicked, and brings the wicked to ruin.
13 Izay manentsin-tadiny amin’ ny fitarainan’ ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.
Whoever stops his ears at the cry of the poor, he will also cry out, but shall not be heard.
14 Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin’ ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.
A gift in secret pacifies anger, and a bribe in the cloak, strong wrath.
15 Fifalian’ ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
It is joy to the righteous to do justice; but it is a destruction to the workers of iniquity.
16 Ny olona izay mivily miala amin’ ny lalan’ ny fahendrena Dia hitoetra ao amin’ ny fivorian’ ny fanahin’ ny maty.
The man who wanders out of the way of understanding shall rest in the assembly of the departed spirits.
17 Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.
He who loves pleasure will be a poor man. He who loves wine and oil won’t be rich.
18 Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon’ ny mahitsy.
The wicked is a ransom for the righteous, the treacherous for the upright.
19 Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin’ ny vehivavy tia ady sady foizina.
It is better to dwell in a desert land, than with a contentious and fretful woman.
20 Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin’ ny tranon’ ny hendry; Fa ny adala mandany azy.
There is precious treasure and oil in the dwelling of the wise, but a foolish man swallows it up.
21 Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
He who follows after righteousness and kindness finds life, righteousness, and honor.
22 Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.
A wise man scales the city of the mighty, and brings down the strength of its confidence.
23 Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.
Whoever guards his mouth and his tongue keeps his soul from troubles.
24 Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.
The proud and arrogant man—“Scoffer” is his name— he works in the arrogance of pride.
25 Ny fanirian’ ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;
The desire of the sluggard kills him, for his hands refuse to labor.
26 Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.
There are those who covet greedily all day long; but the righteous give and don’t withhold.
27 Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin’ ny sain-dratsy no itondrany azy.
The sacrifice of the wicked is an abomination— how much more, when he brings it with a wicked mind!
28 Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.
A false witness will perish. A man who listens speaks to eternity.
29 Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin’ ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.
A wicked man hardens his face; but as for the upright, he establishes his ways.
30 Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’ i Jehovah.
There is no wisdom nor understanding nor counsel against Yahweh.
31 Voaomana ny soavaly ho amin’ ny andro iadiana; Fa an’ i Jehovah ihany ny fandresena.
The horse is prepared for the day of battle; but victory is with Yahweh.

< Ohabolana 21 >