< Ohabolana 18 >

1 Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
與眾寡合的,獨自尋求心願, 並惱恨一切真智慧。
2 Ny adala tsy mba finaritra amin’ ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony.
愚昧人不喜愛明哲, 只喜愛顯露心意。
3 Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin’ ny fahafaham-baraka ny henatra.
惡人來,藐視隨來; 羞恥到,辱罵同到。
4 Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon’ ny fahendrena,
人口中的言語如同深水; 智慧的泉源好像湧流的河水。
5 Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin’ ny fitsarana.
瞻徇惡人的情面, 偏斷義人的案件,都為不善。
6 Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.
愚昧人張嘴啟爭端, 開口招鞭打。
7 Ny vavan’ ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
愚昧人的口自取敗壞; 他的嘴是他生命的網羅。
8 Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
傳舌人的言語如同美食, 深入人的心腹。
9 Ary izay malaina amin’ ny asany Dia rahalahin’ ny mpanimba.
做工懈怠的, 與浪費人為弟兄。
10 Ny anaran’ i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.
耶和華的名是堅固臺; 義人奔入便得安穩。
11 Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.
富足人的財物是他的堅城, 在他心想,猶如高牆。
12 Ny fireharehan’ ny fon’ ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
敗壞之先,人心驕傲; 尊榮以前,必有謙卑。
13 Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.
未曾聽完先回答的, 便是他的愚昧和羞辱。
14 Ny faharariany dia zakan’ ny fanahin’ ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
人有疾病,心能忍耐; 心靈憂傷,誰能承當呢?
15 Ny fon’ ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin’ ny hendry mitady izany.
聰明人的心得知識; 智慧人的耳求知識。
16 Ny fanomezan’ ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan’ ny lehibe.
人的禮物為他開路, 引他到高位的人面前。
17 Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.
先訴情由的,似乎有理; 但鄰舍來到,就察出實情。
18 Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery.
掣籤能止息爭競, 也能解散強勝的人。
19 Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin’ ny lapan’ ny mpanjaka.
弟兄結怨,勸他和好,比取堅固城還難; 這樣的爭競如同堅寨的門閂。
20 Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.
人口中所結的果子,必充滿肚腹; 他嘴所出的,必使他飽足。
21 Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
生死在舌頭的權下, 喜愛它的,必吃它所結的果子。
22 Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin’ i Jehovah.
得着賢妻的,是得着好處, 也是蒙了耶和華的恩惠。
23 Fitarainana no ataon’ ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery.
貧窮人說哀求的話; 富足人用威嚇的話回答。
24 Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.
濫交朋友的,自取敗壞; 但有一朋友比弟兄更親密。

< Ohabolana 18 >