< Ohabolana 17 >

1 Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana.
Better a dry morsel in quietness than a house full of feasting with strife.
2 Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin’ ny mpirahalahy.
A wise servant will rule over a disgraceful son and share his inheritance as one of the brothers.
3 Ny memy ho an’ ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an’ ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
A crucible for silver and a furnace for gold, but the LORD is the tester of hearts.
4 Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin’ ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.
A wicked man listens to evil lips; a liar gives ear to a destructive tongue.
5 Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin’ ny fahorian’ ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.
He who mocks the poor insults their Maker; whoever gloats over calamity will not go unpunished.
6 Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
Grandchildren are the crown of the aged, and the glory of a son is his father.
7 Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an’ ny zanak’ andriana ny molotra mandainga.
Eloquent words are unfit for a fool; how much worse are lying lips to a ruler!
8 Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason’ izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany.
A bribe is a charm to its giver; wherever he turns, he succeeds.
9 Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.
Whoever conceals an offense promotes love, but he who brings it up separates friends.
10 Ny anatra dia manan-kery kokoa amin’ ny hendry Noho ny kapoka injato amin’ ny adala.
A rebuke cuts into a man of discernment deeper than a hundred lashes cut into a fool.
11 Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy.
An evil man seeks only rebellion; a cruel messenger will be sent against him.
12 Aleo mifanena amin’ ny bera very anaka Toy izay amin’ ny adala feno hadalana.
It is better to meet a bear robbed of her cubs than a fool in his folly.
13 Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.
If anyone returns evil for good, evil will never leave his house.
14 Ny fiandohan’ ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
To start a quarrel is to release a flood; so abandon the dispute before it breaks out.
15 Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina, Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah.
Acquitting the guilty and condemning the righteous— both are detestable to the LORD.
16 Hatao inona re ity vola an-tànan’ ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy.
Why should the fool have money in his hand with no intention of buying wisdom?
17 Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ ny fahoriana.
A friend loves at all times, and a brother is born for adversity.
18 Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan’ ny sakaizany.
A man lacking judgment strikes hands in pledge and puts up security for his neighbor.
19 Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.
He who loves transgression loves strife; he who builds his gate high invites destruction.
20 Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin’ ny loza.
The one with a perverse heart finds no good, and he whose tongue is deceitful falls into trouble.
21 Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain’ ny adala tsy ho faly.
A man fathers a fool to his own grief; the father of a fool has no joy.
22 Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.
A joyful heart is good medicine, but a broken spirit dries up the bones.
23 Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.
A wicked man takes a covert bribe to subvert the course of justice.
24 Eo anoloan’ ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason’ ny adala dia mibirioka any amin’ ny faran’ ny tany.
Wisdom is the focus of the discerning, but the eyes of a fool wander to the ends of the earth.
25 Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin’ ny reniny niteraka azy.
A foolish son brings grief to his father and bitterness to her who bore him.
26 Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany.
It is surely not good to punish the innocent or to flog a noble for his honesty.
27 Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.
A man of knowledge restrains his words, and a man of understanding maintains a calm spirit.
28 Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.
Even a fool is considered wise if he keeps silent, and discerning when he holds his tongue.

< Ohabolana 17 >