< Ohabolana 10 >

1 Ohabolan’ i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
The proverbs of Solomon. A wise son makes a glad father; but a foolish son brings grief to his mother.
2 Ny harena azo amin’ ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ ny fahafatesana.
Treasures of wickedness profit nothing, but righteousness delivers from death.
3 Tsy avelan’ i Jehovah ho mosarena ny fanahin’ ny marina; Fa foanany ny fanirian’ ny ratsy fanahy.
YHWH will not allow the soul of the righteous to go hungry, but he thrusts away the desire of the wicked.
4 Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin’ ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan’ ny mazoto.
He becomes poor who works with a lazy hand, but the hand of the diligent brings wealth.
5 Izay manangona amin’ ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin’ ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.
He who gathers in summer is a wise son, but he who sleeps during the harvest is a son who causes shame.
6 Fitahiana no ho ao amin’ ny lohan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy.
Blessings are on the head of the righteous, but violence covers the mouth of the wicked.
7 Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ ny ratsy fanahy.
The memory of the righteous is blessed, but the name of the wicked will rot.
8 Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.
The wise in heart accept commandments, but a chattering fool will fall.
9 Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin’ ny alehany dia fantatra.
He who walks blamelessly walks surely, but he who perverts his ways will be found out.
10 Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.
The one who winks with the eye causes trouble, but the one who boldly rebukes makes peace.
11 Loharanon’ aina ny vavan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy.
The mouth of the righteous is a spring of life, but violence covers the mouth of the wicked.
12 Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
Hatred stirs up strife, but love covers all wrongs.
13 Amin’ ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin’ ny lamosin’ ny tsy ampy saina.
Wisdom is found on the lips of him who has discernment, but a rod is for the back of him who is void of understanding.
14 Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan’ ny adala eo akaikin’ ny fandringanana.
Wise men lay up knowledge, but the mouth of the foolish is near ruin.
15 Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan’ ny ory no fandringanana azy.
The rich man's wealth is his strong city. The destruction of the poor is their poverty.
16 Ho fiainana ny asan’ ny marina; Fa ho ota ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy.
The labor of the righteous leads to life. The increase of the wicked leads to sin.
17 Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ ny lalan’ ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.
He is in the way of life who heeds correction, but he who forsakes reproof leads others astray.
18 Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
He who hides hatred has lying lips. He who utters a slander is a fool.
19 Ny teny maro tsy ilaozan’ izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
In the multitude of words there is no lack of disobedience, but he who restrains his lips does wisely.
20 Volafotsy voafantina ny lelan’ ny marina; Fa ny fon’ ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
The tongue of the righteous is like choice silver. The heart of the wicked is of little worth.
21 Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
The lips of the righteous feed many, but the foolish die for lack of understanding.
22 Ny fitahian’ i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon’ ny fisasarana ampiana izany.
YHWH's blessing brings wealth, and he adds no trouble to it.
23 Toa laolaon’ ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa.
It is a fool's pleasure to do wickedness, but wisdom is a man of understanding's pleasure.
24 Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin’ ny marina no homena azy.
What the wicked fear, will overtake them, but the desire of the righteous will be granted.
25 Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.
When the whirlwind passes, the wicked is no more; but the righteous stand firm forever.
26 Toy ny vinaingitra amin’ ny nify sy ny setroka amin’ ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin’ izay maniraka azy.
As vinegar to the teeth, and as smoke to the eyes, so is the sluggard to those who send him.
27 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan’ ny ratsy fanahy hohafohezina.
The fear of YHWH prolongs days, but the years of the wicked shall be shortened.
28 Ny fanantenan’ ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan’ ny ratsy fanahy ho foana.
The prospect of the righteous is joy, but the hope of the wicked will perish.
29 Ny lalan’ i Jehovah dia fiarovana mafy ho an’ izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an’ ny mpanao ratsy.
The way of YHWH is a stronghold to the upright, but it is a destruction to evildoers.
30 Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin’ ny tany.
The righteous will never be removed, but the wicked will not dwell in the land.
31 Eo amin’ ny vavan’ ny marina no itsimohan’ ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.
The mouth of the righteous brings forth wisdom, but the perverse tongue will be cut off.
32 Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy dia feno fitaka.
The lips of the righteous know what is acceptable, but the mouth of the wicked is perverse.

< Ohabolana 10 >