< Filipiana 1 >

1 Paoly sy Timoty, mpanompon’ i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masìna rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy mbamin’ ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy;
Paweł i Tymoteusz, słudzy Jezusa Chrystusa, do wszystkich świętych w Chrystusie Jezusie, którzy są w Filippi, wraz z biskupami i diakonami.
2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Łaska wam i pokój od Boga, naszego Ojca, i Pana Jezusa Chrystusa.
3 Misaotra an’ Andriamanitro amin’ ny fahatsiarovako anareo
Dziękuję memu Bogu, ilekroć was wspominam;
4 mandrakariva aho amin’ ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin’ ny fifaliana,
Zawsze w każdej mojej modlitwie prosząc z radością za was wszystkich;
5 noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin’ ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
Za wasz współudział w ewangelii od pierwszego dnia aż do chwili obecnej;
6 ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ ny andron’ i Jesosy Kristy;
Będąc tego pewien, że [ten], który rozpoczął w was dobre dzieło, dokończy [go] do dnia Jezusa Chrystusa.
7 fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin’ ny fifatorako, na amin’ ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
Słuszne jest, abym tak myślał o was wszystkich, dlatego że mam was w moim sercu, bo w moim więzieniu, jak i w obronie i utwierdzaniu ewangelii wszyscy jesteście ze mną uczestnikami łaski.
8 Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin’ ny famindram-pon’ i Kristy Jesosy.
Bóg bowiem jest mi świadkiem, jak tęsknię do was wszystkich najgłębszymi uczuciami Jezusa Chrystusa.
9 Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
I o to się modlę, aby wasza miłość coraz bardziej obfitowała w poznanie i we wszelkie zrozumienie;
10 mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ ny andron’ i Kristy ianareo,
Abyście mogli rozpoznać to, co lepsze, żebyście byli szczerzy i bez zarzutu na dzień Chrystusa;
11 sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’ Andriamanitra.
Napełnieni owocami sprawiedliwości, które [przynosicie] przez Jezusa Chrystusa ku chwale i czci Boga.
12 Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;
A chcę, bracia, abyście wiedzieli, że to, co mnie spotkało, spowodowało jeszcze większe rozkrzewienie ewangelii;
13 ka ao amin’ i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin’ ny olona hafa rehetra;
Tak że moje więzy z powodu Chrystusa stały się znane w całym pałacu i u wszystkich innych.
14 ary ny ankabiazan’ ny rahalahy dia efa matoky ao amin’ ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’ Andriamanitra tsy amin’ ny tahotra.
A wielu braci w Panu nabrało otuchy z powodu moich więzów i z większą odwagą, bez lęku zaczęło głosić słowo.
15 Fialonana sy fifandirana aza no itorian’ ny sasany an’ i Kristy, ary fifaliana kosa ny an’ ny sasany;
Niektórzy wprawdzie z zazdrości i sporu, inni zaś z dobrej woli głoszą Chrystusa.
16 fitiavana ny an’ ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;
Jedni ze sporu głoszą Chrystusa nieszczerze, sądząc, że dodadzą ucisku moim więzom;
17 fifampiandaniana kosa no itorian’ ny sasany an’ i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako.
Inni zaś z miłości, wiedząc, że jestem przeznaczony do obrony ewangelii.
18 Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin’ ny atao rehetra, na amin’ ny fihatsaram-belatsihy, na amin’ ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin’ izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.
Cóż więc? Mimo wszystko każdym sposobem, czy obłudnie, czy szczerze, Chrystus jest głoszony. Z tego się raduję i będę się radował.
19 Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana ny Fanahin’ i Jesosy Kristy,
Wiem bowiem, że to doprowadzi do mojego zbawienia dzięki waszej modlitwie i pomocy Ducha Jezusa Chrystusa;
20 araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin’ ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an’ i Kristy ao amin’ ny tenako, na amin’ ny fiainana, na amin’ ny fahafatesana.
Zgodnie z moim gorliwym oczekiwaniem i nadzieją, że w niczym nie będę zawstydzony, lecz z całą odwagą, jak zawsze, [tak] i teraz, uwielbiony będzie Chrystus w moim ciele, czy to przez życie, czy przez śmierć.
21 Fa Kristy no anton’ ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
Dla mnie bowiem życie [to] Chrystus, a śmierć to zysk.
22 Kanefa raha ny ho velona amin’ ny nofo no hahavokaran’ ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;
Lecz jeśli życie w ciele jest dla mnie owocem mojej pracy, to nie wiem, co mam wybrać.
23 fa sanganehana eo anelanelan’ izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin’ i Kristy, satria tsara lavitra izany;
Jedno i drugie bowiem mnie naciska: chcę odejść i być z Chrystusem, bo [to] o wiele lepsze;
24 kanefa kosa ny hitoetra eo amin’ ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
Lecz pozostać w ciele jest bardziej potrzebne ze względu na was.
25 Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ ny finoanareo,
A będąc tego pewien, wiem, że pozostanę i będę z wami wszystkimi dla waszego rozwoju i radości wiary;
26 mba hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin’ i Kristy Jesosy amin’ ny hankanesako atỳ aminareo indray.
Aby obfitowała wasza chluba w Chrystusie Jezusie ze mnie, gdy znowu przybędę do was.
27 Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran’ i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin’ ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
Tylko postępujcie jak przystoi na ewangelię Chrystusa, abym czy przyjdę i zobaczę was, czy nie przyjdę, słyszał o was, że trwacie w jednym duchu, jednomyślnie walcząc o wiarę ewangelii;
28 ka tsy ho azon’ ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin’ Andriamanitra.
I w niczym nie dając się zastraszyć przeciwnikom. Dla nich jest to dowód zguby, a dla was zbawienia, i to od Boga.
29 Fa ianareo efa nomena noho ny an’ i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,
Gdyż wam dla Chrystusa dane jest nie tylko w niego wierzyć, ale też dla niego cierpieć;
30 dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.
Staczając tę samą walkę, którą widzieliście we mnie, i o [której] słyszycie, że teraz we mnie [się toczy].

< Filipiana 1 >