< Filipiana 4 >

1 Ary amin’ izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin’ ny Tompo ianareo, ry malalako.
ARI ri ai kompok kan, ai peren o ai lingan komail, katengetengdi ren Kaun o kompoke pa i kan!
2 Mananatra an’ i Eodia aho, ary mananatra an’ i Syntyke, mba hiray saina ao amin’ ny Tompo izy.
I panaui Ewodia o i panaui Sintike, pwe ira en minimin pena ren Kaun o.
3 Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ ny filazantsara izy, mbamin’ i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin’ ny bokin’ ny fiainana.
O i pil poeki re omui ai warok melel, sauasa ira, me iang ia er dodok ni rongamau, iangaki Klemens o ai warok tei kan, me arail mar akan mi nan puk en maur.
4 Mifalia mandrakariva amin’ ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.
Komail peren ki Kaun o ansau karos! I pil pan indada: Komail pereperen!
5 Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
Komail kadek ong aramas akan karos, Kaun o me kotin korendor.
6 Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra.
Komail der patauki meakot, a komail kasale ong Kot meakaros me komail inong iong ni omail kapakap o ngidingid ki danke.
7 Ary ny fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’ i Kristy Jesosy.
O popol en Kot, me lapa sang lolekong, pan apapwali mongiong omail o omail lamelam ren Kristus Iesus.
8 Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
Pil eu ri ai kan, karos me melel, karos me kon ong, karos me pung, karos me min, karos me kaselel, karos me kalok mau, o ma pil eu tiak mau de men kaping, komail ap madamadaua due!
9 Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
Meakan, me komail padakkier o aleer, o rongadar, o kilanger re i, i me komail wia, a Kot en popol ap pan kotikot re omail.
10 Ary faly indrindra ao amin’ ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo.
A ngai me perenki Kaun o kaualap, pweki ni ansau wet omail apwali ia me tapwendar; ari so, komail apwali ia ansau karos, a ansau kis komail sota kak ong.
11 Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.
I sota inda mepukat pweki ai samamalar, pwe i kin insenemau ni ai samama o ni ai kapwapwa.
12 Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin’ inona na amin’ inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.
I asada duen tiak en samama o duen tiak en kapwapwa. Ngai koiokki meakaros o song karos, i kak metier o men mangadar, o muei met o tutupok.
13 Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ ilay mampahery ahy.
I kak ong meakaros, pweki i, me katin ia da.
14 Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy.
Ari so, me mau omail apwali ia la ni ai paiolar akan.
15 Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ ny niandohan’ ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin’ ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany.
A komail men Pilipi pil asaer, me sota momodisou apapwali ia ni meakaros dueta komail sang ni tapin rongamau, ni ai ko wei sang Masetonien.
16 Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy.
Pwe komail kisakis dong ia pan riapak ni ai samamalar nan Tesalonik.
17 Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho.
Kaidin kisakis, me i kin rapaki, a i kin rapaki wa, pwen kalaudela noumail kisin likau.
18 Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’ i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian’ Andriamanitra sady ankasitrahany.
Pwe me mi re i itar ong ia, op il laud sang. Muei met mi re i, ni ai aleer omail kisakis ren Epaprotitus. Meakan ras ong pomau eu o mairong mau eu, me kon ong Kot.
19 Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ ny voninahitra no amin’ i Kristy Jesosy.
A ai Kot pan kotin kaitar omail samama duen a kapwapwa ni lingan ren Kristus Iesus.
20 Ary ho an’ Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
A lingan en ko ong Kot o Sam atail kokolata! Amen. (aiōn g165)
21 Manaova veloma ny olona masìna rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko.
Ai ranamau ong saraui kan karos ren Kristus Iesus. Ri atail akan, me mi re i, kin ranamau wong komail.
22 Manao veloma anareo ny olona masìna rehetra, indrindra fa ny ankohonan’ i Kaisara.
Saraui kan karos kin ranamau wong komail, pil toun im en Sisa mon karos.
23 Ho amin’ ny fanahinareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo.
Mak en atail Kaun Iesus Kristus en mi ren ngen omail! Amen.

< Filipiana 4 >