< Filipiana 3 >

1 Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin’ ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany.
For the rest, my brothers, be glad in the Lord. Writing the same things to you is no trouble to me, and for you it is safe.
2 Tandremo ny tenanareo amin’ ny amboa, tandremo ny tenanareo amin’ ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ ny voakilema.
Be on the watch against dogs, against the workers of evil, against those of the circumcision:
3 Fa isika no voafora, izay manompo amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra ary manao an’ i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin’ ny nofo;
For we are the circumcision, who give worship to God and have glory in Jesus Christ, and have no faith in the flesh:
4 kanefa mba manana izay hitokiako amin’ ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin’ ny nofo, mainka fa izaho;
Even though I myself might have faith in the flesh: if any other man has reason to have faith in the flesh, I have more:
5 fa voafora tamin’ ny andro fahavalo aho, avy amin’ ny fototr’ isiraely, dia avy amin’ ny firenen’ i Benjamina; Hebreo sady avy amin’ ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo;
Being given circumcision on the eighth day, of the nation of Israel, of the tribe of Benjamin, a Hebrew of Hebrews; in relation to the law, a Pharisee:
6 araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin’ ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny.
In bitter hate I was cruel to the church; I kept all the righteousness of the law to the last detail.
7 Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’ i Kristy.
But those things which were profit to me, I gave up for Christ.
8 Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ ny hatsaran’ ny fahalalana an’ i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’ i Kristy;
Yes truly, and I am ready to give up all things for the knowledge of Christ Jesus my Lord, which is more than all: for whom I have undergone the loss of all things, and to me they are less than nothing, so that I may have Christ as my reward,
9 ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin’ ny lalàna, fa izay avy amin’ ny finoana an’ i Kristy, dia ny fahamarinan’ Andriamanitra amin’ ny finoana;
And be seen in him, not having my righteousness which is of the law, but that which is through faith in Christ, the righteousness which is of God by faith:
10 eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ ny fitsanganany tamin’ ny maty ary ny fiombonana amin’ ny fijaliany ka hampitovina amin’ ny endriky ny fahafatesany,
That I may have knowledge of him, and of the power of his coming back from the dead, and a part with him in his pains, becoming like him in his death;
11 raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin’ ny maty.
If in any way I may have the reward of life from the dead.
12 Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’ i Kristy Jesosy ahy.
Not as if I had even now got the reward or been made complete: but I go on in the hope that I may come to the knowledge of that for which I was made the servant of Christ Jesus.
13 Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha,
Brothers, it is clear to me that I have not come to that knowledge; but one thing I do, letting go those things which are past, and stretching out to the things which are before,
14 eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ ny fiantsoan’ Andriamanitra any ambony ao amin’ i Kristy Jesosy.
I go forward to the mark, even the reward of the high purpose of God in Christ Jesus.
15 Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany; fa hasehon’ Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo.
Then let us all, who have come to full growth, be of this mind: and if in anything you are of a different mind, even this will God make clear to you:
16 Kanefa aoka ho amin’ ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.
Only, as far as we have got, let us be guided by the same rule.
17 Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.
Brothers, take me as your example, and take note of those who are walking after the example we have given.
18 Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon’ ny hazo fijalian’ i Kristy ireny;
For there are those, of whom I have given you word before, and do so now with sorrow, who are haters of the cross of Christ;
19 fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin’ ny tany izy.
Whose end is destruction, whose god is the stomach, and whose glory is in their shame, whose minds are fixed on the things of the earth.
20 Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,
For our country is in heaven; from where the Saviour for whom we are waiting will come, even the Lord Jesus Christ:
21 Izay hanova ny tenan’ ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ ny tenan’ ny voninahiny, araka ny fiàsan’ ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
By whom this poor body of ours will be changed into the image of the body of his glory, in the measure of the working by which he is able to put all things under himself.

< Filipiana 3 >