< Filipiana 2 >

1 Koa raha misy famporisihana ao amin’ i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana,
そこで、あなたがたに、キリストによる勧め、愛の励まし、御霊の交わり、熱愛とあわれみとが、いくらかでもあるなら、
2 dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,
どうか同じ思いとなり、同じ愛の心を持ち、心を合わせ、一つ思いになって、わたしの喜びを満たしてほしい。
3 tsy manao na inona na inona amin’ ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin’ ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.
何事も党派心や虚栄からするのでなく、へりくだった心をもって互に人を自分よりすぐれた者としなさい。
4 Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ ny namany koa.
おのおの、自分のことばかりでなく、他人のことも考えなさい。
5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’ i Kristy Jesosy koa,
キリスト・イエスにあっていだいているのと同じ思いを、あなたがたの間でも互に生かしなさい。
6 Izay, na dia nanana ny endrik’ Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’ Andriamanitra,
キリストは、神のかたちであられたが、神と等しくあることを固守すべき事とは思わず、
7 fa nofoanany ny tenany tamin’ ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ ny olona;
かえって、おのれをむなしうして僕のかたちをとり、人間の姿になられた。その有様は人と異ならず、
8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ ny hazo fijaliana.
おのれを低くして、死に至るまで、しかも十字架の死に至るまで従順であられた。
9 Koa izany no nanandratan’ Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,
それゆえに、神は彼を高く引き上げ、すべての名にまさる名を彼に賜わった。
10 mba ho amin’ ny anaran’ i Jesosy no handohalehan’ ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ ny tany,
それは、イエスの御名によって、天上のもの、地上のもの、地下のものなど、あらゆるものがひざをかがめ、
11 sy haneken’ ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’ Andriamanitra Ray.
また、あらゆる舌が、「イエス・キリストは主である」と告白して、栄光を父なる神に帰するためである。
12 Koa amin’ izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.
わたしの愛する者たちよ。そういうわけだから、あなたがたがいつも従順であったように、わたしが一緒にいる時だけでなく、いない今は、いっそう従順でいて、恐れおののいて自分の救の達成に努めなさい。
13 Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.
あなたがたのうちに働きかけて、その願いを起させ、かつ実現に至らせるのは神であって、それは神のよしとされるところだからである。
14 Ataovy ny zavatra rehetra amin’ ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana,
すべてのことを、つぶやかず疑わないでしなさい。
15 mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak’ Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’ izao tontolo izao,
それは、あなたがたが責められるところのない純真な者となり、曲った邪悪な時代のただ中にあって、傷のない神の子となるためである。あなたがたは、いのちの言葉を堅く持って、彼らの間で星のようにこの世に輝いている。
16 mitana ny tenin’ ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin’ ny andron’ i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.
このようにして、キリストの日に、わたしは自分の走ったことがむだでなく、労したこともむだではなかったと誇ることができる。
17 Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ ny fanatitra ny fisoronan’ ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.
そして、たとい、あなたがたの信仰の供え物をささげる祭壇に、わたしの血をそそぐことがあっても、わたしは喜ぼう。あなたがた一同と共に喜ぼう。
18 Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
同じように、あなたがたも喜びなさい。わたしと共に喜びなさい。
19 Nefa manantena ao amin’ i Jesosy Tompo aho fa haniraka an’ i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.
さて、わたしは、まもなくテモテをあなたがたのところに送りたいと、主イエスにあって願っている。それは、あなたがたの様子を知って、わたしも力づけられたいからである。
20 Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo.
テモテのような心で、親身になってあなたがたのことを心配している者は、ほかにひとりもない。
21 Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an’ i Jesosy Kristy;
人はみな、自分のことを求めるだけで、キリスト・イエスのことは求めていない。
22 izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin’ ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.
しかし、テモテの錬達ぶりは、あなたがたの知っているとおりである。すなわち、子が父に対するようにして、わたしと一緒に福音に仕えてきたのである。
23 Ary izy no antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako izay ho toetro.
そこで、この人を、わたしの成行きがわかりしだい、すぐにでも、そちらへ送りたいと願っている。
24 Fa matoky ao amin’ ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy faingana koa.
わたし自身もまもなく行けるものと、主にあって確信している。
25 Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo sy mpanompo hanome izay nilaiko.
しかし、さしあたり、わたしの同労者で戦友である兄弟、また、あなたがたの使者としてわたしの窮乏を補ってくれたエパフロデトを、あなたがたのもとに送り返すことが必要だと思っている。
26 Fa manina anareo rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy.
彼は、あなたがた一同にしきりに会いたがっているからである。その上、自分の病気のことがあなたがたに聞えたので、彼は心苦しく思っている。
27 Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho.
彼は実に、ひん死の病気にかかったが、神は彼をあわれんで下さった。彼ばかりではなく、わたしをもあわれんで下さったので、わたしは悲しみに悲しみを重ねないですんだのである。
28 Koa nazoto kokoa haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka alahelo kokoa aho.
そこで、大急ぎで彼を送り返す。これで、あなたがたは彼と再び会って喜び、わたしもまた、心配を和らげることができよう。
29 Koa raiso ao amin’ ny Tompo izy amin’ ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany;
こういうわけだから、大いに喜んで、主にあって彼を迎えてほしい。また、こうした人々は尊重せねばならない。
30 fa saiky maty izy noho ny asan’ i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ ny fanompoana ahy.
彼は、わたしに対してあなたがたが奉仕のできなかった分を補おうとして、キリストのわざのために命をかけ、死ぬばかりになったのである。

< Filipiana 2 >