< Obadia 1 >

1 Ny fahitan’ i Obadia. Izao no lazain’ i Jehovah Tompo ny amin’ i Edoma: Nahare filazana avy tamin’ i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin’ ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!
بینینەکەی عۆبەدیا. یەزدانی باڵادەست سەبارەت بە ئەدۆم ئەمە دەفەرموێت، هەواڵێکمان لەلایەن یەزدانەوە بیست، نێردراوێک بۆ نەتەوەکان نێردراوە تاکو پێیان بڵێت: «هەستن! هەستن بۆ جەنگ.»
2 Indro, hataoko tsinontsinona eo amin’ ny firenena ianao, Eny, ho fanazimbazimba indrindra ianao.
«ئێستا لەنێو گەلاندا بچووکت دەکەمەوە، تۆ زۆر ڕیسوا دەبیت.
3 Ny avonavon’ ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin’ ny fonenana avo, Sady manao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany?
فیزی دڵت هەڵیخەڵەتاندی، ئەی نیشتەجێی نێو کەلێنی تاشەبەرد، ئەوەی نشینگەکەت لە بەرزاییدایە، ئەوەی لە دڵی خۆتدا دەڵێیت:”کێ دامدەگرێتە سەر زەوی؟“
4 Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin’ ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
ئەگەر وەک هەڵۆ بەرز بیتەوە و ئەگەر هێلانەت لەناو ئەستێرەکان دابنێیت، لەوێوە دەتهێنمە خوارەوە.» ئەوە فەرمایشتی یەزدانە.
5 Raha, tahìny misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao, (Indrisy, fongotra ianao!) Moa tsy izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny? Raha tahìny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?
«ئەگەر دز یان چەتەی شەوانت بۆ بێت، ئایا تەنها ئەوەی پێویستیان بێت نایدزن؟ ئەگەر ڕەزبڕت بۆ بێت ئایا هەندێک ترێ بەجێناهێڵن؟ ئای چۆن بە تەواوی بڕایتەوە!
6 Endrey ny fitady ny an’ i Esao! Endrey ny fikatsaka ny hareny miafina!
ئای عیسۆ چۆن دەپشکێنرێت! گەنجینە شاردراوەکانی تاڵان دەکرێن!
7 Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nampandeha anao hatramin’ ny sisin-tany; Izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny haninao no namela-pandrika ao ambaninao Tsy misy fahalalana ao aminy!
هەموو هاوپەیمانەکانت هەتا سنوور ڕاویان نای، هەڵیانخەڵەتاندی و بەسەرتدا زاڵبوون، ئەوانەی نمەکی تۆیان کردبوو داوت بۆ دەنێنەوە، بەڵام تۆ تێناگەیت.»
8 Moa tsy amin’ izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr’ i Esao?
یەزدان دەفەرموێت: «ئایا لەو ڕۆژەدا، دانایان لە ئەدۆم لەناو نابەم، تێگەیشتووانیش لە چیای عیسۆ؟
9 Ary ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, Mba haringana amin’ ny vonoana ho foana ny any an-tendrombohitr’ i Esao.
ئەی تێمان، پاڵەوانەکانت دەتۆقن، هەموو ئەوانەی لە چیای عیسۆن بە کوشتن لەناودەچن.
10 Noho ny fampahoriana an’ i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho fongotra mandrakizay.
لەبەر ستەمی تۆ لە یاقوبی برات، ڕیسوایی داتدەپۆشێت، بۆ هەتاهەتایە لەناودەچیت.
11 Tamin’ ilay andro namitsahanao teny am-pita, Tamin’ ny andro namaboan’ ny vahiny ny fananany, Sy nidiran’ ny hafa firenena teo amin’ ny vavahadiny, Ary nanaovany loka an’ i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray tamin’ ireny koa ianao.
ئەو ڕۆژەی تەماشات دەکرد کاتێک بیانییەکان سامانەکەیان داگیر کرد و نامۆکان هاتنە ناو دەروازەکانی و لەسەر ئۆرشەلیم تیروپشکیان کرد، هەروەها تۆش وەک یەکێک بووی لەوان.
12 Aza finaritra mijery ny andron’ ny rahalahinao amin’ ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany; Ary aza mifaly ny amin’ ny taranak’ i Joda amin’ ny andro andringanana azy; Ary aza manao teny miavonavona amin’ ny andro fahoriana
بەڵام نابێت بە ڕۆژی کارەساتی براکەت دڵخۆش بیت، یان لە ڕۆژی لەناوچوونی نەوەی یەهودا شادمان بیت، یان لە ڕۆژی تەنگانەیاندا شانازی بکەیت.
13 Aza miditra amin’ ny vavahadin’ ny oloko amin’ ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny fahantrany amin’ ny andro ahitany loza ianao, Ary aza maninji-tàna haka ny fananany amin’ ny andro ahitany loza
نابێت بچیتە ناو دەروازەی گەلەکەم لە ڕۆژی کارەساتیان، یان بە ناخۆشییەکەیان دڵخۆش بیت لە ڕۆژی کارەساتیان، یان دەستت بۆ سامانەکەیان درێژ بکەیت لە ڕۆژی کارەساتیان.
14 Aza mamitsaka eo amin’ ny sampanan-dalana hamono izay afa-nandositra ianao; Ary aza manolotra izay sisa aminy amin’ ny andro fahoriana.
نابێت لەسەر دووڕیانەکان بوەستیت بۆ کوشتنی دەربازبووەکانیان، نابێت هەڵاتووەکانیان ڕادەست بکەیت لە ڕۆژی تەنگانەیاندا.
15 Fa efa antomotra amin’ ny jentilisa rehetra ny andron’ i Jehovah; Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; Eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.
«ڕۆژی یەزدان بۆ هەموو گەلان نزیکە. هەروەک ئەوەی کردت ئاوات پێ دەکرێتەوە، کردەوەکانت بەسەر خۆت دێتەوە.
16 Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masìna, Dia toy izany koa no hisotroan’ ny firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.
هەروەک لەسەر کێوی پیرۆزم خواردتانەوە، هەموو گەلان بەردەوام جامی سزا دەخۆنەوە؛ دەخۆنەوە و دەخۆنەوە و وەک ئەوەیان لێدێت کە هەرگیز نەبووبن.
17 Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masìna izy; Ary ny taranak’ i Jakoba hahalasa ny fananany.
بەڵام دەربازبوون لەسەر کێوی سییۆن دەبێت، پیرۆز دەبێت، بنەماڵەی یاقوبیش بەشە میراتی خۆیان وەردەگرن.
18 Ny taranak’ i Jakoba ho afo, Ary ny taranak’ i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak’ i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr’ ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak’ i Esao, Fa Jehovah no efa niteny.
بنەماڵەی یاقوب دەبێتە ئاگر و بنەماڵەی یوسف دەبێتە گڕ؛ بنەماڵەی عیسۆش دەبێتە پووش، جا گڕیان تێبەردەدەن و دەیانخۆن. بنەماڵەی عیسۆ کەسیان لێ دەرباز نابێت.» ئەمە فەرمایشتی یەزدانە.
19 Ny any amin’ ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr’ i Esao; Ary ny any amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin’ ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an’ i Gileada.
خەڵکی نەقەب چیای عیسۆ داگیر دەکەن، خەڵکی زوورگەکانیش خاکی فەلەستییەکان. دەبنە خاوەنی کێڵگەکانی ئەفرایم و سامیرە، بنیامینیش دەبێتە خاوەنی گلعاد.
20 Ary ny babo amin’ izao Zanak’ Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin’ ny tany atsimo.
ئەو کۆمەڵەی ڕاپێچکراوانی ئیسرائیل کە لە کەنعانن هەتا سەرەفەند دەست بەسەر خاکەکەدا دەگرن؛ ڕاپێچکراوانی ئۆرشەلیمیش کە لە سفارەدن دەست بەسەر شارۆچکەکانی نەقەبدا دەگرن.
21 Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr’ i Esao; Ary ho an’ i Jehovah.
ڕزگارکەرانی خاکەکەش سەردەکەونە سەر کێوی سییۆن بۆ فەرمانڕەوایەتی لەسەر چیای عیسۆ. پاشایەتیش بۆ یەزدان دەبێت.

< Obadia 1 >